airtel

Covid 19

29-nov-2022

Covid 19

Aretina tsy fantatra miparitaka Hentitra amin’ny fampanaovana arovava orona ny sekoly

Sample post image

Hentitra amin’ny fampanaovana arovava orona ny mpianatra ireo sekoly maro isan-tsokajiny eto amintsika amin’izao.

29-nov-2022

Tsy vao izao ihany izany ho an’ny lisea La Prime etsy Anosibe fa vao niandoha mihitsy ny taom-pianarana na dia efa tsy re laza firy intsony aza ilay areti-madoza Coronavirus. Nambaran-dRtoa Norolalao izay mpanabe ao an-toerana fa na sery monja aza dia hampianarina hahay hanampina ny vavany amin’ny vohon-tanany ny mpianatra rehefa mievona no sady manao arovava orona. Somary nahazo vahana mantsy io aretina io tato ho ato hoy izy ka misy ireo manavy, misy ny madoa, misy ireo marary kibo….Na izany aza dia notsindriany kosa fa tsy mbola nisy ireo tratran’ny corona ary izay rehetra tratran’ilay sery mahery sy kohoka dia efa sitrana ary efa miverina mianatra avokoa. Izay mpianatra rehetra tsy manao arovava orona araka izany ao amin’izy ireo dia tsy maintsy mandeha miverina mividy avokoa . Mitohy hatrany ihany koa ny fametrahana ireo karazam-pitaovana fanasan-tanana eo an-tokontanin-tsekoly miaraka amin’ny savony mba hahafahana mamono ilay otrik’aretina raha tsy mahavita mitondra gel ho azy manokana ilay mpianatra.
Pati
 

Dans la même rubrique