airtel

Covid 19

10-mars-2021

Covid 19

Arlette Ramaroson “Ataovy mazava ny nandaniana ny volan’ny Covid 19”

Sample post image

Mila manao tatitra mazava ny amin’ny nampiasany marina ny vola fanampiana azon’I Madagasikara mba hiadiana

10-mars-2021

 

 amin’ny valanaretina Covid 19 ny fitondraam-panjakana hoy ny mpitsara iraisam-pirenena Rtoa Arlette Ramaroson.Famelabelaran-kevitra faran’ny tsotra no atao, hoy izy : asehoy hoe ohatrinona marina ny vola azo, inona avy no nampiasana azy, taiza ary oviana, nisy fandaniana hafa ve , ohatrinona ny ambim-bola mbola eo am-pelatanana. Rehefa vita izany tatitra izany dia mazava amin’ny rehetra ka tsy misy intsony ny adihevitra be isan’andro ifamaliana amin’ny haino aman-jery, hoy i Arlette Ramaroson. Ankoatr’izay nambarany fa dia tena tsy fantatra intsony izay tena tian’ny fitondram-panjakana ankehitriny atao, ny oona efa hita fa tena sahirana amin’ny fiainana andavanandro, fananganana kianja manara-penitra sy fotodrafitrasan goavana indray anefa no maha maika.Inona no vokatr’ireny amin’ny fiainam-bahoaka, hoy izy ? Tsy aleo ve karakaraiina ny sosialim-bahoaka aloha amin’izao fahasahiranana mianjady amin’ny firenena izao fa tsy variana amin’ny sehoseho ivelany, hoy I Arlette Ramaroson.

RTT

Dans la même rubrique