airtel

Covid 19

12-avril-2021

Covid 19

Avokavoka avy tratry ny covid-19 Misy fomba tsotsotra ahafa- mikolokolo azy

Sample post image

Ho an'ireo avy nanao “forme grave” na forme “modérée” fa nisy simba ny avokavoka, efa nivoaka hopitaly kanefa

12-avril-2021

 

 

 

 mbola sahirankirana rehefa miaina, misy ny fifampizarana, fampianarana na "rééducation" ny tratra hiverina hiaina indray, nozarain'ny namana dokotera iray, hoy ny fifampizarana iray tao amin’ny tambajotran-tserasera. Tavoahangy plastika 1 madio, perfuseur iray, rano madio no ilaina. Lavahana roa ny sarona tavoahangy ary atsofoka eo ny perfuseur nozaraina roa. Ny tapany iray dia atsofoka anaty rano, ny tapany iray kosa dia tsy mitsofoka fa natao amoahana ny rivotra. Misintona rivotra mafy amin’ny orona aloha tsy mampiasa na inona na inona (inspiration profonde) - Avy eo Dia mitsoka ilay perfuseur misy lohany ( ilay mitsofoka anaty rano) izany hoe amoahana ilay rivotra avy nofohina teo (expiration profonde) . Izany Dia mandritra ny 15 minitra isan'andro ka zaraina ho “séance” 2 na 3 izay fa tsy tonga dia atao indray mandeha fa mbola tsy vitan'ilay marary. Ho an'ireo izay manana “kinésithérapeute” manaraka moa, dia vao maika tsara saingy sahirana vao mahazo azy ireo hamonjy any an-trano amin’izao, hoy ny fanamarihana.

(Sary nindramina)

Toky R

Dans la même rubrique