airtel

Covid 19

25-mars-2021

Covid 19

CHRD Nosy Be Nahazo fitaovam-pitiliana PCR

Sample post image

Nahazo fitaovana manara-penitra fanaovana "Test PCR", narahina fampiofanana mifanaraka amin'izany

25-mars-2021

 

 

 

ho an’ireo teknisiana mikirakira ny fitaovana any an-toerana ny CHRD Nosy Be ao anatin’ny DRSP Diana. Miezaka hatrany araka izany ny Fitondram-panjakana ankehitriny amin'ny fanatsarana ny kalitaon'ny tolotra ara-pahasalamana omena ny Vahoaka, eo ihany koa ny fanamafisana ny ady amin'ny valanaretina Covid-19 izay hita any amin'iny Distrikan'i Nosy-Be iny, hoy ny Ministeran’ny fahasalamana. Ny Ministera dia manentana antsika hatrany hanaja an-tsakany sy an-davany ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra hisorohana ny fiparitahan'ny valanaretina Covid-19, hoy ny fampitam-baovao.

Toky R

Dans la même rubrique