airtel

Covid 19

14-déc-2021

Covid 19

Collège Saint Michel Amparibe Fialan-tsasatra no mampiato ny fianarana fa tsy Covid 19

Sample post image

Mianatra ny mpianatra, ny oniversite, ny TGI, izany hoe ireo mpianatra kilasy faharoa hatramin’ny famaranana raha ny “section Vohijoky”

14-déc-2021

 izay sahaniko aloha, hoy ny tale misahana izany eo anivon’ny vondrom-panabeazana Katolika Saint Michel Amparibe, Mompera Jacques Randrianary, omaly. Mandeha tsara ny fampianarana ary ny ao amin’ny TGI moa fotoanan’ny fanadinana amin’izao fotoana izao dia izay no antony iakaran’ireo mpianatra, hoy izy. Araka ny fanazavan’ireo tompon’andraikitra hatrany dia fepetra fisorohana na hoe “anticipation” no antony nandefasana hanao fialan-tsasatry ny Noely sy taom-baovao ireo mpianatra hafa fa tsy resaka Covid 19 akory. Ianareo izao nahita, hoy hatrany ny talen’ny sampana Vohijoky, fa misokatra sy azon’ireo mbola tokony hianatra ny vahavahady. Somary mampametra-panontaniana ihany anefa ny fitarainan’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra fa tampoka loatra ilay fialan-tsasatra ary any am-piasana ny sasany vao nandre fa tsy mianatra ny zanany. Tetsy ankilany koa dia tsikaritra ho nihidy ny vavahadin’ny kolejy La Providence, izay eo akaiky eo ihany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique