airtel

Covid 19

23-janv-2023

Covid 19

Coronavirus 1 maty, 5 marary mafy

Sample post image

Iray maty, ary miisa 29 kosa ireo olona vaovao voan'ny coronavirus nandritra ny herinandro nanomboka ny 14 hatramin'ny 20 janoary 2023, araka ny tatitra navoakan'ny Minisiteran'ny fahasalamana.

23-janv-2023

Fitiliana 321 no nahitana azy ireo, izay manome taham-pahavoazana 9,03%. Mitana ny lohalaharana hatrany i Analamanga izay nahitana tranga 24 ary iray kosa tany Amoron'i Mania, Atsinanana, Boeny, Itasy, ary Matsiatra Ambony. Niakatra ho 55 ny isan'ny tranga rehetra hatreto, ary 5 kosa ireo marary mafy na "formes graves" ankotra ny fisian'ny iray namoy ny ainy. Tsikaritra ho ambony be izany mitaha amin'ny isan'ny tranga sy ny olona tsaboina, koa entanina hatrany ny rehetra hitandrina na manoloana ny coronavirus na ny aretina hafa satria mirongatra ny karazana aretina amin'izao vanim-potoana izao.
Toky R
 

Dans la même rubrique