airtel

Covid 19

11-juin-2021

Covid 19

Coronavirus 1 maty, 54 ny tranga vaovao

Sample post image

54 ireo trangana coronavirus vaovao ny 9 jona teo, izay nisy fiakarany satria 28 ny teo alohany. Fitiliana 517 no nahitana an’ireo,

11-juin-2021

 

 

izay manome taham-pahavoazana 10,44%. Ny 36 no teto Analamanga, 7 Matsiatra ambony, 4 Anosy, 2 Boeny, 1 Itasy, 1 Betsiboka , 1 Analanjirofo, 1 Vatovavy Fitovinany, 1 Atsimo Andrefana. Iray kosa no maty, izay tany amin’ny faritra Matsiatra ambony, nampiakatra ny isan’ny maty tamin’ity volana ity ho 34, raha toa ka 875 kosa ny hatrizay. Miisa 28 kosa ny sitrana vaovao. 93 ireo marary misy fahasarotana, izay nilatsaka ho ambanin’ny zato. Mila mailo hatrany, tsikaritra ny fisiana faritra somary miakatra kely ny tranga. Entanina hitandrina hatrany ny rehetra, ary hanao fiarovana amin’ny alalan’ny fanajana fepetra, Tahaka izany ihany koa ny fanaovana vaksiny.

 

Toky R

 

Haut du formulaire

 

Dans la même rubrique