airtel

Covid 19

14-juin-2021

Covid 19

Coronavirus 12 maty, 93 ny tranga telo andro

Sample post image

Olona 12 no namoy ny ainy tao anatin’ny 3 andro (10-11-12 jona), nampiakatra ny isan’ny olona lavo tamin’ity volana ity ho 46,

14-juin-2021

 

 

 raha toa ka 887 kosa ny hatramin’izay. Mitsinjara toy izao ny faritra nisy ireo namoy ny ainy: Matsiatra Ambony 7, Analamanga 2, Analanjirofo 1, Vakinankaratra 1, ary Atsimo Atsinanana 1. Miisa 93 (29, 25, 39) kosa ireo tranga tao anatin’ny telo andro, hita tamin’ny fitiliana 1370, manome taham-pahavoazana 6,78%. Tamin’ny 93 dia teto Analamanga avokoa ny 48, Vakinankaratra 9, Matsiatra Ambony 7, Vatovavy Fitovinany 6, Androy 6, Atsinanana 4, Atsimo Andrefana 4, Itasy 2, Ihorombe 2, Melaky 1, Anosy 1, Sofia 1, Menabe 1. Miisa 97 amin’ireo mbola manaraka fitsaboana izay tsy fantatra mazava ny isany kosa no ao anatin’ny sokajy misy fahasarotana na “forme grave”. Tsikaritra ho mbola maro ireo mamoy ny aniny mitaha amin’ny tranga vaovao. Tsy sasatry ny manentana ny olona hitandrina sy ho mailo hatrany isika satria tsy mbola resy ny valanaretina. Ao anatin’ny vanim-potoana mangatsiaka, izay tena tian’io valanaretina io rahateo isika. Manentana ny olom-pirenena hanao vaksiny ihany koa, izay tsy an-tery, saingy io aloha no fanefitra sokajian’ny siantifika ho mahomby, ankoatra ny fepetra fiarovana.

 

Toky R

 

 

 

Haut du formulaire

 

Dans la même rubrique