airtel

Covid 19

22-août-2022

Covid 19

Coronavirus 16 ny tranga nandritra ny herinandro

Sample post image

Miisa 16 ireo tranga vaovaon’ny coronavirus tao anatin’ny herinandron’ny 13-19 aogositra 2022. Teto Analamanga avokoa ny 14 ary iray avy kosa tany Vakinankaratra sy Sambava.

22-août-2022

Araka ny tatitra navoakan’ny Minisiteran’ny fahasalamana hatrany, 157 ireo tranga mbola raisina an-tànana manerana ny Nosy amin’izao fotoana izao, ka ny 3 no ao anatin’ny fahasarotana. Tsy nisy kosa ireo namoy ny ainy,, raha toa ka miisa 57 ireo sitrana nandritra ny herinandro, ka afaka nody soa aman-tsara any an-tokantranony. Raha tarafina amin’ny tarehimarika, efa vitsy ny tranga vaovao, kanefa tsy midika izany fa azo hamaivanina io valanaretina io. Hatramin’ny nahatafidiran’io valanaretina io teto ny martsa 2020, efa nahatratra 1410 ny olona lavony izay manome 2,02% amin’ny tranga hatrizay manome 66 615. Miisa 510 102 kosa ny fitiliana efa vitan’I Madagasikara, izay azo lazaina ho ambany dia ambany mitaha amin’ny isan’ny mponina.
Toky R
 

Dans la même rubrique