airtel

Covid 19

16-juin-2021

Covid 19

Coronavirus 2 maty, 18 ny tranga vaovao

Sample post image

Olona roa teto amin’ny faritra Analamanga no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus ny 14 jona teo.

16-juin-2021

 

 

 

 Niakatra ho 50 no maty nandritra ity volana jona ity, ary 891 ny hatramin’izay. Miisa 18 kosa ny tranga vaovao ka 16 teto Analamanga, 1 Vatovavy Fitovinany, 1 Amoron’I Mania. Fitiliana miisa 517 no nahitana an’ireo 18 ireo, izay manome taham-pahavoazana 3,48%, izay azo lazaina ho ambany mitaha ny tany aloha, saingy tsy midika fa efa resintsika ny valanaretina. Miisa 15 kosa ireo sitrana. 97 amin’ireo mbola manaraka fitsaboana izay tsy fantatra mazava ny isany no mbola marary misy fahasarotana. Entanina hatrany ny rehetra hitandrina, ary izay afaka manao vaksiny dia tokony hanao izany satria maimaimpoana io, saingy tsy terena ny olom-pirenena.

 Toky R

Dans la même rubrique