airtel

Covid 19

08-juil-2021

Covid 19

Coronavirus 2 namoy ny ainy, 21 ny tranga vaovao

Sample post image

Olona 2 tany amin’ny Faritra Anosy no lavon’ny coronavirus ho an’ny andron’ny 6 jolay lasa teo. Niakatra ho 929 ny isan’ny namoy ny ainy hatramin’izay.

08-juil-2021

Miisa 21 kosa ny tranga vaovao, hita tamin’ny fitiliana 507, manome taham-pahavoazana 4,14%. Ny 15 teto Analamanga, 1 Antsinanana, 02 Matsiatra ambony, 2 Anosy, 1 Atsimo Atsinanana. Miisa 15 kosa ireo olona sitrana, ka 6 Analamanga, 5 Matsiatra Ambony, 4 Vakinankaratra. Miisa 46 kosa ireo tranga misy fahasarotana na “cas graves”. Raha toa ka tsy nisy ny maty, 8 ny tranga vaovao, 1,2% ny taham-pahavoazana ny 05 jolay, dia tsikaritra ho niakatra avokoa ireo ny 07 jolay. Tsy sasatra manentana ny olom-pirenena rehetra hitandrina isika, satria azo ambara ho mbola tsy afa-bela, ary ambony ny risika mbola hahatafidirana amin’ny onja fahatelo na “3ème vague”.
Toky R

Dans la même rubrique