airtel

Covid 19

10-juin-2021

Covid 19

Coronavirus 3 maty, 28 ny tranga vaovao

Sample post image

Miisa 3 ireo olona lavon’ny valanaretina coronavirus ny talata 8 jona teo, izay teto Analamanga avokoa.

10-juin-2021

 

Tafiakatra 33 izany ireo olona maty tamin’ity volana jona izay miditra amin’ny herinandro faharoa ity, izay manome salan’isa 4 isan’andro eo. 874 kosa ireo namoy ny ainy hatramin’izay. Ho an’ny tranga vaovao kosa dia 28 izany, hita tamin’ny fitiliana 366, manome taham-pahavoazana 7,6%. Ny 9 teto Analamanga, 4 Matsiatra Ambony, 3 Itasy, 3 Anosy, 3 Sofia, 2 Atsinanana, 2 Vatovavy Fitovinany, 2 Ihorombe, 1 Diana, 1 Menabe. Miisa 35 kosa ireo sitrana. Tsy fantatra mazava ny isan’ireo mbola manaraka fitsaboana, fa ny 110 amin’izany kosa no voasokajy ho ao anatin’ny tranga misy fahasarotana na “forme grave”. Tsikaritra ho misy fiakarany kely ny tranga amin’ny faritra sasany. Entanina hatrany ny rehetra hitandrina satria tsy mbola afaka misioka isika. Isan’ny mbola lesoka ihany koa ny fahavitsian’ny olona manao vaksiny, izay hany ekena eran’izao tontolo izao fa fanefitra hiarovana sy hiadiana amin’ny valanaretina ankoatra ny fitandremana samihafa.

Toky R

Dans la même rubrique