airtel

Covid 19

16-mars-2021

Covid 19

Coronavirus 5 maty ny alahady teo, 105 voa, 88 marary mafy

Sample post image

Olona 5 be izao no indray matin’ny coronavirus ny alahady 14 martsa teo, ka 04 tany amin’ny Faritra Atsinanana, ary 01 tany Ihorombe.

16-mars-2021

 

 Miisa 8 izany maty ny sabotsy sy alahady, raha toa ka 34 teo anelanelan’ny 27 febroary hatramin’ny 14 martsa. Nahatratra 105 ihany koa ny tranga vaovao ho an’ny andron’ny alahady teo ihany, araka ny tatitra omaly. Fitiliana 688 no nahitana ireo 105 ireo izay manome taham-pahavoazana 15,26% izay tena ambony. Mitana ny lohalaharana hatrany hatrany I Analamanga izay nahitana tranga 88, raha toa ka 01 Vakinankaratra, 07 Boeny, 05 Diana, 04 Analanjirofo. Miisa 14 kosa ny sitrana ka 06 Analamanga, 06 Diana, 01 Anosy, ary 01 Atsinanana. 88 be izao ihany koa ny marary mafy, ka 62 Analamanga, 11 Boeny, 13 Atsinanana, 04 Atsimo Andrefana. Tena mila mitandrina ny tsirairay satria tena miha mahery vaika ny fipariahana. Ahiana ho efa eto Madagasikara ilay fomba fisehony tena haingam-pifindra be toy ny any Grande Bretagne sy Afrika Atsimo. Tsy mbola nisy ny fanambarana ofisialy ny fahatafidirany eto na tsia na teo aza ny fanambaran’ny mpitsabo tany Mahajanga fa coronavirus amin’ny endriny vaovao no miseho any.

Toky R

Dans la même rubrique