airtel

Covid 19

19-avril-2022

Covid 19

CORONAVIRUS 60% AMIN'NY MATY NO TSY VOAISA OFISIALY

Sample post image

Tao anatin'ny roa taona nisian'ny valanaretina, nahatratra 6 tapitrisa ireo olona namoy ny ainy. Io no antontan'isa ofisialy,

19-avril-2022

saingy ambony lavitra noho io izany raha ny tombana ataon'ny OMS izay maneho fa manodidina ny 15 tapitrisa any ho any ireo namoy ny ainy mivantana na an-kolaka vokatry ny coronavirus. I Inde no firenena voalohany be maty indrindra satria ny iray ampahatelony izany hoe maherin'ny 4tapitrisa dia tany amin'ity firenena faharoa be olona indrindra aorian'i Chine izay efa misy vahoaka manodidina ny 1,2 miliara ity. Tsy levon'ny vavonin'ny ao New Delhi anefa ny fomba fikajian'ny OMS. Maro ny firenena tsy tena mazava ny antontan'isa ary misy serasera afenina tahaka ny an'ny sinoa izay voalaza fa tsy misy afatsy 5000 ny maty hatrizay. Voalaza hatreto fa ny 60% amin'ireo matin'ny coronavirus maneran-tany no tsy tafiditra anaty antontan'isa ofisialy.
AFRIKA ATSIMO
ROTIKY NY TONDRA-DRANO I DURBAN
Tao anatin'ny loza sy alahelo no niatrehan'ny mponina tany amin'ny faritr'i Durban, any tapany atsinanan'i Afrika Atsimo ny fetin'ny paska ny alahady teo. Tratry ny tondra-drano tsy nifankahitana efa andro maro. Mitombo ny isan'ny maty izay efa tsy latsaky 443, ary 63 ny tsy hita popoka, araka ny tatitry nataon'i Sihle Zikalala minisitra misahana ny faritanin'i KwaZulu-Natal. Goavana ny fahapotehana ara-poto-drafitrasa ankoatra ny maty. Tafiakatra maherin'ny 41 000 ireo naratra vokatr'ity tondra-drano mahatsiravina izay voasokajy ho isan'ny goavana indrindra teo amin'ny tantaran'i Afrika Atsimo ity. Tsara ny manamarika fa tanan-dehibe fahatelo ao Afrika Atsimo i Durban, izay isan'ny ain'ny toekarena noho izy manana ny seranantsambo goavana reharehan'ny Afrikanina Tatsimo.
Toky R
 

 

Dans la même rubrique