airtel

Covid 19

06-avril-2022

Covid 19

Coronavirus Azo hiaraha-miaina tsara, tsy voatery hihiboka

Sample post image

Mbola tsy foana ny valan’aretina Coronavirus raha araka ny fanazavan’ny dokotera Fidy Bariniaina. Mbola mamono olona an’arivony isan’andro mantsy izany any Eoropa.

06-avril-2022


 Volana artsa tahaka izao hoy izy tamin’ny 2 taona lasa no tena nampahazo vahana io aretina io teto amintsika ary volana Jolay dia feno avokoa ny hopitaly. Kisarisary mbola azo heritreretina izany hoy hatrany izy noho izany tokony samy ho mailo ny rehetra. Tsy voatery hisy fihibohana anefa hoy izy vao afaka mandresy io aretina io isika. Amin’ny alalan’ny fanaovam-baksiny sy ny fitondrana arovava orona hoy izy dia efa voasoroka ny aretina noho izany azo hiaraha-miaina tsara izy raha voahaja ireo fepetra ireo. Nomarihiny moa fa isika Malagasy tia mampiasa vatana, mihinana sakafo vaovao sy feno hery fiarovana ihany koa, antony hahafahantsika manohitra tsara ny Covid 19 amin’ny ankapobeny. Ny an’ireo teratany vahiny kosa hoy izy sakafo efa ambifotsy no haniny isan’andro. Tsy dia mampiasa vatana ihany koa izy ireny hany ka mora matin’ilay aretina.
Pati
 

Dans la même rubrique