airtel

Covid 19

15-nov-2021

Covid 19

Coronavirus Efa miparitaka indray fa hafenimpenina ?

Sample post image

Manomboka hafahafa indray ny toe-draharaha ara-pahasalamana eto amin’ny tany sy ny firenena amin’izao fotoana izao, indrindra taorian’ny herinandro mahery nisokafan’ny sisin-tanin’i Madagasikara.

15-nov-2021

 Manomboka misy toerana ahitana trangana coronavirus, toy ny any Morondava izay efa ofisialy ny fahitana tranga, nisy sekoly lehibe vitsivitsy nakatona,… Tsy any ihany, fa ahiana ny hisian’ny tranga mielim-patrana, indrindra fa eto Antananarivo izay ivon’ny aretina hatramin’izay. Manomboka maro ny olona manao fanairana sy fitakiana mba hanomezan’ny Fanjakana antontan’isa mazava momba ny mety isan’ny olona voan’ny coronavirus eto amin’ny tany sy ny firenena. Ahiana mantsy ny mety ho fisiana fanarontsaronana, ary tranga iray toa hafahafa, ohatra, ilay omaly izay nisiana delegasionina Tazanianina voan’ny covid-19, saingy efa nisy kazarana gidragidra vao fantatra ny fisian’izany. Mila zavatra mangarahara ny rehetra, ary karazana famitahana sy famosaviana ny vahoaka Malagasy raha sanatrian’ny vava efa maro ny tranga, fa iniana ampanginina na hafenina. Ny tena zava-doza mantsy dia ny fahitana, fa any amin’ny firenena matanjaka izay efa lasa lavitra amin’ny tontolon’ny fitsaboana sy fahasalamana aza midangana indray ny trangana coronavirus amin’izao, toy ny any Eoropa, izay efa mety mahatratra ny 70% amin’ny mponina no vita vaksiny. Ho an’I Madagasikara anefa mety 3 ka hatramin’ny 5% amin’ny mponina no vita vaksiny hatreto, na efa manan-tsafidy amin’ny vaksiny maro aza isika. Ny fanehoan-kevitry ny manam-pahaizana dia manipika hatrany fa ny 95% amin’ireo olona mamoy ny ainy sy tratry ny “forme grave” amin’ny coronavirus dia saika ireo tsy vita vaksiny avokoa. Ekena fa manokatra ny sisin-tany isika, miantso ny mpizahatany, mamerina manome aina ny toekarena,… saingy io tahana vaksiny eto amintsika io dia tsy hamparisika ny olona, mety ho poizina ho antsika Malagasy izay tena miverina amin’ny goragora tanteraka. Raha sanatria tsy voafehy eo io, dia hiverina amin’ny fihibohana indray ka hifafa ny kiho eto indray isika raha tsy mitandrina.
Toky R
 

Dans la même rubrique