airtel

Covid 19

28-déc-2021

Covid 19

Coronavirus • Mamono ny delestazy, tsy ampy ny « oxygène »,… • Tsy vita vaksiny ny ankamaroan’ny voa sy maty…

Sample post image

Hita taratra amin’ny toe-draharaha ara-pahasalamana mikasika ny coronavirus ankehitriny ny tsy fahampian’ny fiomanana avy amin’ny Fanjakana, izay mety ho anton’ny loza, misy namoizana ain’olona mihitsy aza.

28-déc-2021

 Isan’izany ny fitarainana maro momba ny fisiana olona namoy ny ainy vokatry ny fahatapahan-jiro. Maty ny « concentratreur d’oxygène » izay mitazona ny ain’ny marary misy fahasarotana. « Nandeha teny Anosiala, tsy nisy “oxygène”, naiditra tao amin’ny Village Voara. Efa nampiasana “oxygène” ny maraina. Tapaka tampoka ny jiro ny tolakandro, minitra vitsy taorian’izay dia niala ny ainy. Raha nandray andraikitra ny Fanjakana sy Jirama, mety tsy naninona ny havanay. Tahaka ny hoe: nentina hovonoina nakeny amin’ny hopitaly », hoy ny renim-pianankaviana iray nanana havana namoy ny ainy. Efa niseho moa ny loza, vao naneho fa mandray andraikitra ny Fanjakana amin’ny alalan’ny fametrahana na famelomana ireo milina mpamory herinaratra eny amin’ny Hopitaly. « Ity jiro tapatapaka sy “oxygène en rupture” ity no matetika no isany olana. Miakatra ny filàna « oxygène » dia asa raha maharaka ny famokaran’ny orinasa EOLE indrindra amin’ity delestazy lava ity. Omaly hariva izao efa tamin’ny 17ora ny tavoahangy farany azo nampiasaina, tany ho any amin’ny 7ora hariva vao nisy « livraison » kanefa tena tranga atahorana sy sarotra na « état critique » sy « forme grave » ny marary na ny covid-19 na ny hafa », hoy ny Raim-pianankaviana iray manana marary tsaboina eny Anosiala omaly. Nomarihiny, fa ny ankamaroan’ireo mamoy ny ainy, dia olona tsy vita vaksiny.

TSY VITA VAKSINY NY ANKAMAROAN’IREO VOA…
« Resaka fahatarana no isan’ny olana, raha vao misy fisehoana aretina dia aza miandriandry any an-tokantrano. Tonga dia any amin’ny tobim-pahasalamana any amin’ny CSB II. Efa nanafarana azy ireo ny fanaovana sivana amin’ny marary. Isan’ny fahatarana ny fivezivezena. Raha misy fahasarotana, dia eny amin’ny Hopitaly lehibe, hoy ny Dr Manitra Rakotoarivony Talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamam-bahoaka omaly tamin’ny fampahalalam-baovao. “Rehefa nanontaniana tokoa ireny hitantsika teny amin’ny Village Voara ireny hoe vita vaksiny ary ny ankamaroany, dia mampalahelo fa tsy vita vaksiny. Ny tena mampalahelo, dia matetika manana aretina mitaiza ry zareo. Matetika mivadika “forme grave”. Averimberina ihany ny antso ho an’ny fanaovana vaksiny indrindra ho an’ireo manana aretina mitaiza: diabetika, tosidrà avo hatramin’ny hoe: manana aretina homamiadana,… Manaova vaksiny amin’ny fotoana mbola mahasalama izany. fa rehefa tratry ny aretina dia tsy afaka manao vaksiny aloha fa mitsabo tena aloha. Ny zavatra tsara ho marihina, raha vita vaksiny ny olona iray, efa noresahina fa tsy ho tonga any amin’ilay hoe: “forme grave”, ary io no miteraka fahafatesana. Izay indrindra no hanentanana sy haverimberina”, hoy io mpitsabo io.
Toky R
 

Dans la même rubrique