airtel

Covid 19

15-déc-2021

Covid 19

Coronavirus miparitaka Ho fantatra anio ny fepetra ho raisin’ny fanjakana

Sample post image

Fantatra mihitsy izao, fa somary niakatra kely tamin’ny herinandro. Vao tamin’ny maraina no nifampiantso tamin’ny minisitry ny fahasaamana.

15-déc-2021

Efa nojerena, fa somary nidina kely tamin’ity herinandro ity. Misy fepetra tsy maintsy horaisina, mila mitandrina ihany. Hisy ny filankevitry ny minisitra manokana natao handinihana fotsiny ny resaka covid-19 eto Madagasikara. Anio no ahita ny fepetra tokony ho raisina, raha ny nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina nandritra ny fanokafana ny fanitarana ny sampan vonjitaitra na “Service d’urgence” etsy amin’ny Hopitaly HJRA Ampefiloha omaly 14 desambra. Raha nanontanian’ny mpanao gazety momba ny mety hidirana amin’ny hamehana moa ny Filoha dia naneho, fa eo amin’ny 90 eo ny miditra hopitaly raha ny tatitry ny minisitra taminy, mbola tsy tonga amin’ny hidirana amin’ny hamehana, misy fepetra tsy maintsy horaisina, misy fandinihana tsy maintsy hatao, raha ny nambarany. Tsara ny mampahatsiahy, fa nahatratra 1722 ny tranga, ary 13 no namoy ny ainy tao anatin’ny telo herinandro (20 novambra-10 desambra). Tena tsy nitsaha-niakatra ny tranga satria 258 teo anelanelan’ny 20-26 novambra ka 13 no narary mafy, faritra 12 no nahitana tranga. Niakatra ho 470 izany ny 27 novambra hatramin’ny 03 desambra, niakatra ho 22 ny narary mafy, nisy olona 5 namoy ny ainy, niakatra ho 14 ihany koa ny faritra nahitana tranga. Ny herinandron’ny 4-10 desambra farany teo kosa, dia niakatra ho 994 ny tranga vaovao, tafiakatra 8 ny tranga ny namoy ny ainy, 48 ny marary mafy, niakatra ho 17 ny faritra misy tranga. Toe-javatra izay toa ahafaha-miteny, fa efa tafiditra ao anatin’ny onja fahatelo na “3ème vague” isika. Tsy fantatra mazava, ary tsy misy fanazavana mafonja mikasika ny trangana coronavirus hita eto ihany koa ny Fanjakana, na voalaza aza fa efa manana ilay fitaovana fanaovana “sequençage” aza isika eto Madagasikara. Maro anefa ny maneho, fa hafahafa sy sarotra ny fisehon’ny coronavirus amin’izao, ary misy miteny mihitsy fa hatramin’ny ankizy aza voany. Ny Fanjakana moa no tena afaka mitondra fanazavana ofisialy ny mahamarina na tsia an’ireny, saingy mareforefo ny serasera momba io.
Toky R
 

Dans la même rubrique