airtel

Covid 19

21-nov-2022

Covid 19

Coronavirus Nahatratra 195 ny tranga tao anatin’ny herinandro

Sample post image

Tena miha miakatra hatrany ny trangana coronavirus voatily eto Madagasikara, izay endrika maneho fa miverina miparitaka ny aretina. Raha toa ka 71 ny herinandro teo aloha,

21-nov-2022

tao anatin’ny herinandron’ny 12-18 novambra 2022, tafiakatra 195 ny tranga vaovao voamarina. Ny Faritra Analamanga no lohalaharana izay nahitana tranga 157 be izao, arahin’ny Faritra Anosy nahitana 12, raha toa ka 8 avy ny tany Atsinanana sy Vakinankaratra. Tafiakatra 264 ireo manaraka fitsaboana amin’izao, ka ny 3 amin’ireo no ao anatin’ny fahasarotana. Entanina ny rehetra omaly satria betsaka ny tranga hafahafa, mitombo ireo olona manana toe-pahasalamana tsy dia tomombana tahaka ny kohaka maharitra, havizanana be,… ka tokony handeha any amin’ny tobim-pahasalamana avy hatrany satria tombanana ho endrika isehoan’ny covid-19 ireny. Entanina ihany koa ny rehetra hamerina sy hanamafy ny fepetra sakana.
Toky R
 

Dans la même rubrique