airtel

Covid 19

18-juil-2022

Covid 19

Coronavirus Namono olona 3 indray

Sample post image

Telo namoy ny ainy, ary 189 kosa ireo tranga vaovaon’ny coronavirus nandritra ny herinandron’ny 9-15 jolay lasa teo. Namoizana aina hatrany ity valanaretina ity tato ho ato,

18-juil-2022

ary efa tafiakatra 1406 ny lavo hatrizay nahatafidirany teto nanomboka ny martsa 2020. Somary nisy fihenany kosa ny tranga vaovao satria nahatratra 305 izany ny herinandro teo alohany. Fitiliana 6891 no nahitana ireo tranga vaovao 189, manome salan’isa 2,7%. Teto Analamanga avokoa ny 164, Vakinankaratra 9, Vatovavy Fitovinany 5, Atsimo Andrefana 3, Boeny 3, Matsiatra Ambony 3, Diana 2, ary iray avy tany Atsimo Andrefana sy Anosy. Mahatratra 606 ireo mbola manaraka fitsaboana amin’izao fotoana izao, ka ny 9 no ao anaty sokajy misy fahasarotana na “formes graves”. Entanina hatrany hitandrina sy hanao fiarovan-tena amin’ny alalan’ny vaksiny ny tsirairay satria tena mbola eto, ary tsy mbola resy ny coronavirus, izay mamono olona hatrany.
Toky R
 

Dans la même rubrique