airtel

Covid 19

14-nov-2022

Covid 19

Coronavirus Niakatra ho 108 ireo voa, 3 misy fahasarotana

Sample post image

Mitombo ny trangana coronavirus eto Madagasikara. Nahatratra 71 ny tranga tao anatin’ny herinandron’ny 5-11 novambra 2022. Fitiliana miisa 464 no nahitana an’ireo, izay manome taham-pahavoazana 15,30%,

14-nov-2022

izay azo sokajiana ho ambony. Nampiakatra ny isan’ny tranga rehetra voaisa eto Madagasikara amin’izao ho 108 izany, ka ny 3 amin’ireo no misy fahasarotana na “forme grave”, io sokajy io izay tsy dia nisy firy intsony saingy io miverina io. Efa nahatratra 1411 moa no lavo hatramin’izay. Ho an’ny tranga vaovao tao anatin’ny herinandro farany, ny 59 teto amin’ny faritra Analamanga, 4 Atsinanana, 3 Vakinankaratra, 1 Itasy, 1 Alaotra Mangoro, 1 Boeny, 1 Diana, ary 1 Androy. Entanina hatrany ny rehetra ho mailo sy hitandrina satria heverina fa mbola mieloelo hatrany eny amin’ny fiarahamonina ny valanaretina coronavirus. Entanina ihany koa amin’ny fiarovan-tena amin’ny alalan’ny vaksiny sy ny fandanjalanjana ny sakafo ho ara-pahasalamana ny rehetra mba hampatanjaka ny hery fiarovana.
Toky R
 

Dans la même rubrique