airtel

Covid 19

27-mars-2023

Covid 19

Coronavirus Niakatra ho 78 ny tranga herinandro

Sample post image

Miakatra hatrany ny isan’ny trangana coronavirus eto Madagasikara, raha tarafina amin’ny antontan’isa. Tafakatra 78 indray mantsy ny tranga vaovao tao anatin’ny herinandro farany dia 18 hatramin’ny 24 martsa.

27-mars-2023

Fitiliana 397 no nahitana ireo tranga ireo izay manome taham-pahavoazana 19,64%, raha toa ka 11,5% ny teo aloha. Teto Analamanga avokoa ny 53 tamin’ireo, ary 22 kosa tany Vakinankaratra. Azo lazaina ho niakatra be io satria ny herinandro teo aloha dia 30 ny isan’ny tranga vaovao, fa ny zava-dehibe kosa dia mba tsy nisy ny namoy ny ainy raha toa ka nisy iray lavo tao alohan’izay. Miisa 80 ireo olona mbola manaraka fitsaboana ankehitriny, ka ny iray amin’ireo no ao anatin’ny fahasarotana. Entanina hitandrina hatrany ny tsirairay satria tena mitombo ny tranga kanefa sarotra ny mitsabo tena ankehitriny.
Toky R
 

Dans la même rubrique