airtel

Covid 19

15-mars-2021

Covid 19

Coronavirus tao anatin’ny tapa-bolana 29 maty, 1327 ny tranga, feno ny hopitaly

Sample post image

Tafiakatra 16 ny namoy ny ainy namoy ny ainy vokatry ny valanaretina coronavirus teo anelanelan’ny 5-12 martsa,

15-mars-2021

 

 nampiakatra ny isan’ny lavo hatrizay ho 326, raha ny antontan’isa nivoaka ny sabotsy lasa teo. Tsy nisy tatitra mazava kosa ny teo anelanelan’ny 27 febroary-04 martsa, fa raha ny isan’ny namoy ny ainy hatramin’izay tamin’ny tatitra nivoaka farany tamin’ny 06 martsa nitaterana ny fivoarany ny 20-26 febroary, dia 300 ny totalibeny. Ny tatitra ho an’ny sabotsy teo kosa, dia naneho fa 326 ny lavo hatramin’izay. 10 izany ny maty teo anelanelan’ny 27 febroary-04 martsa, raha raisina amin’io antontan’isa nivoaka omaly, ary 16 no tao anatin’ny herinandro farany. Miisa 638 ny tranga vaovao tao anatin’ny harinandro farany, hita tamin’ny fitiliana miisa 2740, izay manome taham-pahavoazana 23,28% azo ambara ho tena ambony. Rehefa jerena ihany koa ny elanelan’isa tapa-bolana, dia 1201 ny tranga vaovao. Tsy nisy ny fanamarihana manokana momba ireo marary hoe taiza sy taiza avy? Firy ny marary mafy? Ho an’ny sabotsy 13 martsa no nisy tatitra manokana omaly alahady, dia nisy namoy ny ainy 03 (01 Analamanga, 01 Antsinanana, 01 Diana) ka nampiakatra ny hatrizay ho 329. Miisa 126 kosa ny tranga iray andro tamin’io hita tamin’ny fitiliana 599, manome taham-pahavoazana 21,03% be izao. Ny 80 teto Analamanga, 03 Analanjirofo, 14 Antsinanana, 01 Betsiboka, 05 Boeny, 19 Diana. 1327 izany ny tranga teo anelanelan’ny 27 febroary-13 martsa. Niakatra ho 781 kosa ireo olona mbola tsaboina.

 

MIHA HIPOKA NY HOPITALY…

Mampatahotra ny firongatry ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara na milaza aza ny mpitondra fa voafehy. Antananarivo, Mahajanga, Toamasina no lohalaharana amin’izany. Ny Hopitaly Manara-penitra CHU Andohatapenaka efa feno marary. Toy izany ihany koa ny CHU Toamasina, ary manomboka mandray marary ny Hopitaly be, raha ny vaovao azo. Ny Hopitaly manara-penitra ao Mahajanga ihany koa feno. Nisy aza ny fanazavana efa nentin’ny Talen'ny CHU Mavavoky Atsimo, Pr. Jean Baptiste de la Salle Randrianirina ny herinandro teo fa ilay Coronavirus amin'ny endriny vaovao na "nouvelle forme" no miseho any Mahajanga. Efa tafiditra eto ve izany ilay endriny vaovao haingam-pifindra be niainga tany Royaume-Uni sy Afrika Atsimo?

 

Nilaza ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Rtoa Lalatiana Rakotrondrazafy ny zoma 12 martsa, fa hampiarahana ny sabotsy lasa teo avokoa ny tranga rehetra tao anatin’ny tapa-bolana, saingy tsy izay aloha no niseho. Tsy fahafahezana ny asa ve sa misy ny tsirambina ? Maro ny zavatra toa tsy mandeha amin’izay laoniny, raha tsy hilaza afa-tsy ny antontan’isa, ny olan’ny mpitsabo, ny fanamaivanana ny vaksiny ka lasa fialana bala ny hoe misy firenena mampiato.

 Toky R

Dans la même rubrique