airtel

Covid 19

12-avril-2021

Covid 19

Coronavirus tao anatin’ny telo andro 1588 no voa, 25 maty, 310 marary mafy

Sample post image

Nahatra 1588 ny trangana covid-19 tao anatin’ny 3 andro farany satria tsy nisy latsaky ny 500 ny trangana coronavirus

12-avril-2021

 

 

 

 tao anatin’ny 3 andro farany nisesy. Ho an’ny zoma 8 aprily, nahatratra 559 ny voa, 514 ny 9 aprily, ary 515 ny 10 aprily. Fitiliana 4405 no nahitana ireo 1588, izay manome taham-pahavoazana ambony dia ambony 36,04%. Teto Analamanga avokoa ny 1137 na ny 71,59% tamin’ireo tranga 1588. Lasibatra hatrany ny faritra Analamanga, ary tsy mahomby aloha izany hatreto ny fepetra matoa mbola mitombo ny tranga na efa nisy aza ny fepetra manokana noraisina nandritra ny kabarin’ny Filoha ny 03 aprily. Miisa 25 ihany koa no namoy ny ainy tao anatin’ny telo andro, ka teto Analamanga ny 10 tamin’ireo. Mety hiafara amina fepetra ambony kokoa ity faritra ity raha izao no mitohy, ka ahiana ny firosoana amin’ny fihibohana. Tafiakatra 3679 ireo tsaboina ka anaty “forme grave” avokoa ny 310 amin’izany. Zava-dehibe ny fitandremana sy fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana ary tena samy tompon’andraikitra ny tsirairay, fa raha izao firongatry ny valanaretina izao, dia any amin’ny fanamafisana ny fepetra fiarovana aloha no vahaolana mahomby. Iaraha-mahalala ihany koa ny tsy fahampian’ny fanafody, oxygène, mpitsabo,… hany ka mitombo ny risika, io tafiakatra 310 io ny marary mafy. Naman’ny eny an-tokontanim-pasana ny tongotra ilany, vao tsy mitandrina ka voan’ny coronavirus satria na ny hopitaly hidirana aza mety ho sarotra, ary tsy vitsy ny marary maty eny am-pivezivezena.

Toky R

Dans la même rubrique