airtel

Covid 19

19-juil-2021

Covid 19

Coronavirus telo andro 6 maty, 57 ny tranga vaovao

Sample post image

3 no maty tao anatin'ny telo andron'ny 15,16,17 jolay teo, ka nampikatra ny isan'ny lavo hatrizay ho 941. Ny 2 ny alakamisy teo ary 1 kosa omaly.

19-juil-2021

 Miisa 57 kosa ireo olona voa tao anatin'ny telo andro. Tranga vaovao miisa 16 no hita tamin'ny fitiliana 156 ny andron'ny sabotsy 17 jolay teo, manome taham-pahavoazana 10,25%. Ny 9 teto Analamanga (Antananarivo Renivohitra), 1 Matsiatra Ambony,2 Boeny, 1 Atsimo Andrefana, 1 Vatovavy Fitovinany, 1 Anosy, 1 Atsimo Atsinanana. Somary niakatra ny taham-pahavoazana mitaha amin'ny andro teo alohany nahitana tranga 25 tamin'ny fitiliana 562 manome taha 4,45%. 16 hita tamin'ny fitiliana 404 ny zoma 15 jolay, ka 3,96% ny taham-pahavoazana. 33 kosa ny tranga misy fahasarotana. Manentana ny rehetra hitandrina hatrany isika.
Toky R
 

Dans la même rubrique