airtel

Covid 19

07-juin-2022

Covid 19

Coronavirus Tena miakatra hatrany ny isa

Sample post image

Miakatra ny isan’ny trangana coronavirus eto Madagasikara na ekena aza fa kely mitaha ny tranga tamin’ny vanim-potoana nampahery vaika azy.

07-juin-2022

Tao anatin’ny herinandron’ny 28 mey hatramin’ny 03 jona teo, tafiakatra 101 ny tranga vaovao, ka teto Analamanga avokoa ny 84 tamin’ireo, Atsinanana 4, Diana 4, Boeny 3, Atsimo Andrefana 2, Vakinankaratra 2, Analajirifo 1, Matsiatra Ambony 1. Fitiliana 4 370 no nahitana an’ireo 101 ireo, izay manome taham-pahavoazana 2,31%. Mitaha ireo herinandro roa teo aloha, tsikaritra ny fiakaran’ny tranga vaovao eto amin’ny firenena satria 38 izany, avy eo niakatra ho 63, ary eo tonga 101 io. Tao anatin’ny roa herinandro farany ihany koa dia nisy namoy ny ainy miisa 3 ka ny iray tamin’ny herinandro farany teo, ary ny 2 teo alohan’izany. Hatreto, mahatratra 178 ireo manaraka fitsaboana, ka ny 4 amin’ireo no ao anatin’ny fahasarotana na “formes graves”. Midika fa miha miparitaka indray ny valanaretina, ary vanim-potoana tena mampahazo vahana azy ny fotoana mangatsika tahaka izao. Etsy andaniny, marisarisa amin’ny fanaovana vaksiny isika Malagasy. Raha ny antontan’isa ofisialy, hatramin’ny 15 may lasa teo, dia 1 290 854 ny isan’ny Malagasy rehetra nahavita vaksiny feno, izany hoe: mbola latsaky ny 5%. Etsy andaniny, nisy ny fanalefahana ny fepetra noraisin’ny Fanjakana nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 01 jona 2022 nametraka fa tsy voatery intsony ny fanaovana arovava, raha tsy any amin’ny toerana mihiboka. Mila mailo sy mitandrina hatrany satria mitady handady ny trambo, ary ho sahirana eto raha sanatria hihanaka sy hahery vaika indray ity valanaretina efa nampitondra faisana antsika ity.
Toky R
 

Dans la même rubrique