airtel

Covid 19

25-mars-2021

Covid 19

Coronavirus vaovao endrika Tokony hampitomboana avo roa heny ny fiarovan-tena

Sample post image

Miantomboka amin’ny sery madinika sy ny kohoka ihany koa ilay variant Covid 19 izay efa tafiditra eto amintsika

25-mars-2021

 

 

 

raha araka ny fanazavan’ny profesora Ratsimivony Jean Claude, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny vondrona JCR omaly. Ao anatin’ny 4 na 5 andro anefa izany hoy izy dia tonga any amin’ny forme grave izay ary mahafaty haingana ka tokony hampitomboana avo roa heny mihitsy ny fiarovan-tena hataon’ny tsirairay. Anisan’ny notsindriany mafy omaly ny amin’ny tokony hanaovana aron-tava tsy mitsahatra na dia ao an-trano aza. Toraka izany koa ny fampiasana ireo karazana baoma mampiakatra hery fiarovana toy ny baoma fosa izay vokarin’izy ireo, arahin’ny fanasan-tanana amin’ny savony sy ny fanajana ilay elanelana 1 metatra. Notsiahivin’ity profesora ity moa fa tsy manavaka taona intsony ny aretina noho izany tokony ho samy tsara fiarovana avokoa ny rehetra. Mikasika ilay vaksiny moa dia nomarihiny fa tsy ny rehetra no mila izany. Miovaova hatrany mantsy ny endrik’ilay viriosy hoy izy ka mety tsy ho araka izany intsony raha mitohy.

Pati

 

Dans la même rubrique