airtel

Covid 19

18-janv-2021

Covid 19

Covid 19 Antananarivo Renivohitra Miisa valo ireo CSB II afaka mandray marary

Sample post image

Manentana ireo olom-pirenena ny Prof Rakotovao Hanitrala Jean Louis, Minisitry

18-janv-2021

 

 

ny fahasalamam-bahoaka, mba hanantona toeram-pitsaboana raha toa mahatsikaritra tsy fahasalamana. Ho an`Antananarivo Renivohitra dia miisa valo ireo CSB II afaka mandray avy hatrany ireo marary: CSB 2 Isotry Central ; CSB 2 Ambohitsoa ; CSB 2 Ampasanimalo ; CSB 2 Antanimena ; CSB 2 Mahamasina ; CSB 2 Analamahitsy ; CSB 2 Amboniloha ; ary CSB 2 Ambohimanarina “Anjaran`ireo toeram-pitsaboana eny ifotony ireo no mijery raha manao fitiliana na tsia ny marary ao aminy” hoy ihany izy. Ankoatr’ireo dia tsara ho fantatra fa manao ny fitiliana ho an’ireo  olona hivoaka any ivelan’i Madagasikara ny eny amin’ny HJRA raha toa handefasana ireo singam-pitiliana avy amin’ny Hôpitaly sy ny CTC-19 Andohatapenaka kosa ny eny amin’ny laboratoara LA2M, mazava ho azy araka izany fa tsy mandray olona mivantana.

Marigny A.

Dans la même rubrique