airtel

Covid 19

01-févr-2021

Covid 19

Covid-19 Madagasikara 19 maty, 1298 voa iray volana

Sample post image

Miisa 332 ny trangana covid-19 vaovao teo anelanelan’ny 23-29 janoary 2020.

01-févr-2021

 

 

 

 

Fitiliana 3376 no nahitana an’ireo tranga ireo, izay manome taham-pahavoazana 9,53%. Nahatratra 1298 isa kosa ny tranga vaovao tao anatin’iny volana janoary iny. Miisa 02 kosa no namoy ny ainy, ka 281 ny fitambaran’ny lavo hatrizay, raha toa ka nahatra 19 be izao no maty nandritra ny volana janoary, izay azo ambara ho tena maro, ary tafiakatra 1298 ihany koa ny tranga vaovao, izany hoe misy tranga 42 isan’andro eo, raha atao ny salan’isa. Mikasika ny tranga vaovao omaly, dia 156 teto Analamanga, 04 Vakinankaratra, 33 Antsinanana, 01 Analanjirofo, 45 Matsiatra Ambony, 25 Amoron'i Mania, 11 Vatovavy Fitovinany, 04 Boeny, 03 Atsimo Andrefana, 04 Anosy, 22 Menabe, 02 Sava, 08 Diana, ary 04 be izao ny tranga vaovao avy any ivelany, ka tafiakatra 06 izany ny “cas importés” nanomboka ny volana janoary. Tena mandravarava ny covid-19 eto Madagasikara, ary faritra 13 amin’ny 12 no nahitana tranga indray tamin’iny herinandro iny. Efa tafiditra ao anatin’ny onja faharoa isika, hoy ny mpiasan’ny fahasalamana iray. Miisa 42 ny marary mafy, ka 28 Analamanga, 01 Vakinankaratra, 13 Matsiatra Ambony. Miisa 285 kosa ny sitrana tao anatin’izay herinandro izay. Mila mitandrina ny rehetra eo anatrehan’ny zava-misy satria tsy azo hamaivanina ny tranga. Goragora ihany koa ny fepetra. Mitombo ny tranga avy any ivelany, ary ny manahirana, dia ny voalaza fa fisiana mpandeha mandoa vola sy manao kolikoly rehetra tonga eny Ivato, dia afaka tsy mihiboka. Tsy ampahafarin’ny lenta sy ny rafi-pitsaboana avy any ivelany ny eto Madagasikara. Manginy fotsiny ny nambaran’ny Transparency International Initiative Madagascar ny 29 janoary, fa 826,09 tapitrisa dolara ny fanampiana azo tamin’ny hamehana ireny . Misy ny PMDU (Plan Multiséctoriel d’Urgence), ka ny 35% tamin’ny tetibola anefa dia naompan’ny governemanta any amin’ny sehatry ny fotodrafitrasa, raha toa ka ny 9,37% amin’ny tetibola ankampobeny no nalefa any amin’ny sehatry ny fahasalamana, izay lasa any amin’ny laharana faha-4 amin’ny fitsinjarana ara-bola.

Toky R

Dans la même rubrique