airtel

Covid 19

11-juin-2021

Covid 19

Covid 19 Madagasikara Lehilahy ny 65%-n’ireo marary

Sample post image

Lehilahy ny 65%-n’ireo olona lasibatry ny valan’aretina Covid 19 hatramin’ny fotoana nisiany teto amintsika .

11-juin-2021

 

 

 

34% monja kosa ny vehivavy ary tsy mifidy taona. Raha nihevitra mantsy ny rehetra fa ireo marefo sy voky taona ihany no tena hataon’ity areti-mandoza ity mahita faisana dia fantatra fa ny sokajin-taona rehetra mihitsy no voany raha araka ny fanazavan’ny dokotera Jean Claude Rakotomalala. Nahatratra 500 mahery ohatra ny olona 60 taona no mihoatra dia 100 mahery ireo olona eo anelanelan’ny 45 ka hatramin’ny 59 taona. Manodidina ny 50 isa mahery koa ireo olona eo anelanelan’ny 35 ka hatramin’ny 40 taona raha mihoatra ny 30 isa ireo latsaky ny 15 taona. Manentana sy miantso ny rehetra hatrany araka izany ity dokotera ity mba ho malina hatrany amin’ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana. Anisan’ireny ny fanasan-tanana amin’ny savony, ny fanajana ny elanelana iray metatra ary ny fanaovana aron-tava.

Pati

Dans la même rubrique