tia tanindrazana

Parution du Lundi, 3 Mai 2021

airtel

Covid 19

Covid 19 Madagasikara Maherin’ny 2900 ireo tsaboina

Ny 348 tamin’ny fitiliana 1366 natao ny 07 aprily no voamarina fa voan’ny coronavirus, izay manome taham-pahavoazana 25,47%,

09-avril-2021

Sample post image

 

 

 azo lazaina ho mbola ambony be hatrany. Somary niakatra kosa ny fitiliana mitaha amin’ny andro maromaro teo aloha, izay tsy nihoatra ny 800 tamin’ny ankampobeny. Ny tarehimarika ihany koa dia maneho, fa na niakatra aza ny isan’ny fitiliana, dia niakatra tahaka izany ihany koa ny tranga. Porofo mivaingana, fa tena betsaka ny olona voa mety tsy voatily, maro ny mety efa marary fa tsy maneho soritr’aretina,… Ho an’ireo tranga vaovao 348, dia teto Analamanga ny 180, Antsinanana 26, DIANA 14, Alaotra Mangoro 8, Matsiatra Ambony 10, Boeny 7, Vakinankaratra 26, SAVA 9, Atsimo Andrefana 10, Vatovavy Fitovinany 10, Menabe 9, Analanjirofo 10, Anosy 8, Ihorombe 3, Betsiboka 4, Melaky 13, Atsimo Atsinanana. Ny faritra 17 amin’ny 22 eto Madagasikara izany, dia samy nahitana tranga avokoa tamin’io andron’ny 7 aprily io. Nahatratra 26 ny tany Toamasina, izay roa andro taorian’ilay fitangoronana be ny 05 aprily alatsinain’ny paska ka tsy hay na fifandrifian-javatra ihany na ahoana? Miisa 6 kosa ny namoy ny ainy, ka Boeny 1, Vakinankaratra 1, Atsimo Andrefana 1, Analanjirofo 2, Anosy 1. Tafiakatra 2904 ireo manaraka fitsaboana amin’izao, ary manodidina ny 9% amin’ireo no marary mafy misy fahasarotana. Tsy mbola tafiditra ao anatin’ny antontan’isa anefa ireo marary any amin’ny hopitaly tsy miankina, izay midika fa tafiakatra 3000 mahery ireo marary amin’izao. Miisa 145 kosa ny sitrana tamin’io andro io: Analamanga 94, Antsinanana 6, Haute Matsiatra 2, Boeny 19, Vakinankaratra 1, SAVA 3, Atsimo Andrefana 3, Vatovavy Fitovinany 1, Analanjirofo 14, Melaky 2.

Toky R 

Dans la même rubrique

Card image cap
4-mi tsy tratran’ny covid 19 Ilay loto iainany isan’andro no lasa vaksiny miaro azy
03-mai-2021

Vitsy ireo 4-mi na mpatory an-dalana tratran’ny Covid 19 raha araka ny fantatra. Ho an’ny tetsy amin’ny Fokontany La Réunion

Card image cap
Vaksinin’ny Covid 19 Tsy mahazo manafatra na mivarotra ny tsy miankina
29-avril-2021

Nisongadina hatrany tao anatin’ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra izay natao tamin’ny alalan’ny “visioconférence”

Card image cap
Nidangana indray ny antontan’isa 17 matin’ny covid-19 iray andro
29-avril-2021

Nidangana indray ny isan’ny olona lavon’ny coronavirus. Nahatratra 17 izany ny talata 27 aprily, ka 7 teto Analamanga,

Voir plus