airtel

Covid 19

12-mars-2021

Covid 19

Covid 19 manomboka miparitaka Lalaovin’ny mpitondra ny ain’ny Malagasy

Sample post image

Miverina mihiboka ny Nosy Maorisy, ka mijanona avokoa ny asa aman-draharaha ankoatra ny "services essentiels"

12-mars-2021

 

 

 ary hisy ny sazy enjana ho an'ireo tsy manaja ny fihibohona. “Raha mikasika antsika eto Madagasikara manokana kosa no jerena dia efa manao ny ezaka rehetra ny Fitondram-panjakana ankehitriny, hisorohana ny tsy hiverenantsika amin’ny fihibohana indray, izay niarahantsika nahalala fa niteraka voka-dratsy ara-ekonomika ho an’ny firenena”, hoy ny Minisiteran’ny fahasalamana, izay maneho hatrany fa nahomby ny paikady.

MANDRIMANDRY MANANA ARETINA

Miharihary fa marefo I Madagasikara, raha ny rafitra ara-pahasalamana na ny “système de santé”. Tsy ampahafirin’ireo firenena matanjaka sy efa lasa lavitra amin’ny tontolon’ny fitsaboana isika, ary tsy azo inoana loatra ny filazan’ny Fanjakana fa ny paiakady napetrany no nahomby. Ambony kokoa ny hery fiarovana noho ny mety ho nampiasana ireo fitsaboana nenti-paharazana, toy ny evoka, raokandro,… Tao anaty hamehana ara-pahasalamana aza isika zara raha 9% mahery kely tamin’ny tohana ara-bola manodidina ny 600 tapitrisa dolara no nalefa any amin’ny fahasalamana fa ny 35% natontona amina fotodrafitrasa sy kisehoseho. Tsy manamaivana ny CVO sy ny CVO+, fa tsy misy tatitra mazava intsony ny momba io. Ny CVO izay niainga 1500Ar ny tavoahangy, nisy fotoana 300Ar, ary iny nolazain’Atoa Roland Ratsiraka tao amina fahitalavitra iray ny 10 febroary iny, fa nisy olom-pantany aza nilaza fa nariana ny CVO satria tsisy nividy. Ny CV0+ moa tsy re intsony, izay nolazaina ny 02 oktobra 2020, fa 22 500 isa isa-minitra na 1 350 000 isan’ora izany hoe 32 tapitrisa isan’andro no vokarina ao amin’ny Pharmalagasy fa moa misy resaka intsony io ? Ny 20 novambra 2020, nilaza teo anatrehan’ny depiote ny Minisitry ny toekarena sy ny vola fa miomana hividy vaksiny ny Fanjakana, ka isan’ny nampiakatra ny tetibolam-panjakana 2021. Ny 25 novambra 2020 indray anefa, nilaza indray tsy hanafatra. Noho ny safidin’ny mpitondra, dia toa lasa sorona ny vahoaka, tsy isan’ireo firenena 172 afa-misitraka ny tetikasa “Covax” hanamorana ny fahazoana vaksiny. Mety ho lasa fenitra iraisam-pirenena anefa io, ka ho isan’ny pasipaoro ahafahana miditra any amina firenena iray ny fahavitana vaksiny. Toa lasibatra amin’ny hambom-po diso toeran’ny mpitondra anefa ny Malagasy. Miha mitombo be ny tranga kanefa misy tsirambina tsy hay na tsy fahaiza-miasa na iniana atao ny tatitra momba ny fivoaan’ny valanaretina izay tara herinandro ny tatitra ?

Toky R

Dans la même rubrique