airtel

Covid 19

27-déc-2021

Covid 19

Covid-19 mirongatra eto Analamanga Nosokafana ny CTC-19 Soamandrakizay

Sample post image

Ho fandraisana an-tanana haingana ireo mararin'ny Covid-19 maneho "forme modérée" izay maneho fahasemporana ary ilàna fampiasana "Concentrateurs d'oxygène"

27-déc-2021

dia noraisina ny fepetra hisorohana ny mety ho fivoaran'ny aretina mankany amin'ny tranga misy fahasarotana. Hisokatra anio 27 Desambra 2021, araka izany ny CTC -19 SOAMANDRAKIZAY izay afaka mandray marary manodidina ny 148, hoy ny Minisitry ny fahasalamana Pr Zely Arivelo RANDRIAMANANTANY omaly. Hanampy ny etsy Andohatapenaka mahazaka marary 120 io. Nialoha izao fisokafana izao dia nisy ny fanamafisana ny traikefa sy ny fahaiza-manaon'ny mpiasan'ny fahasalamana. Teboka telo no nohamafisina: Maimaimpoana ny Fanafody sy ny fandraisana an-tanana; Ady iraisana ny ady amin'ny Covid-19 fa tsy an'ny Fitondram-panjakana irery ihany ; Entanina isika rehetra HANAJA ary HAMPANAJA ireo fepetra sakana hisorohana ny fiparitahan'ny valanaretina. Porofo iray maneho izao fa efa alohalika ny ranombary amin’ny firongatry ny valanaretina, tsy maharaka ny fandraisana an-tànana, hany ka tsy maintsy sokafana indray aloha ny ivon-toerana fandraisana marary.


Momba ny vaksiny dia mitohy hatrany ny ezaka ary tokony ho tratra ny tanjona hanao vaksiny olona iray tapitrisa amin'ity taona ity. Amin'ny taona 2022 dia manodidina ny 8 tapitrisa ny olona tokony ho vita vaksiny mba hahatrarana ny tanjona hamitana vaksiny ny 50,50% ny Malagasy amin'ny taona 2023.

Toky R

 

Dans la même rubrique