airtel

Covid 19

15-avril-2021

Covid 19

Covid 19 tena mihanaka be 583 voa iray andro, 8 maty, 344 marary mafy

Sample post image

Niakatra ho 8 ny isan’ny lavon’ny coronavirus ny talata teo, ka teto Analamanga avokoa ny 4, Diana 3, ary Anosy 1.

15-avril-2021

 

 

 

Efa 520 no lavo hatramin’izay. Tratra ny 13 aprily ihany koa ny isan’ny marary manaraka fitsaboana mihoatra ny 4000 eto Madagasikara, araka ny tatitra omaly satria efa 4127 izany, raha toa ka 3837 ny andro teo alohany. Tafiakatra 583 ny tranga vaovao ny andron’ny talata teo, hita tamin’ny fitiliana 1722, manome taham-pahavoazana 33,85% be izao. Teto Analamanga avokoa ny 445 (Antananarivo Renivohitra 321, Atsimondrano 45, Avaradrano 29, Ambohidratrimo 48, Manjandriana 02) ; Antsinanana 10, Diana 16, Alaotra Mangoro 8, Matsiatra ambony 7, Boeny 3, Vakinankaratra 19, Sava 7, Astimo Andrefana 25, Vatovavy Fitovinany 4, Menabe 10, Amoron'I Mania 5, Analanjirofo 6, Anosy 5, Ihorombe 5, Itasy 2, Androy 3, Sofia 3. Ny faritra 17 amin’ny 22 izany dia nahitana tranga vaovao avokoa. 285 no sitrana ny talata teo, 4127 ny mbola tsaboina ka marary mafy ny 344 amin’ireo voa, raha 318 ny andro teo alohany, izany hoe nitombo 34 satria nisy 8 namoy ny ainy ankoatra ireo elanelan’isa 26.

MITOMBO IREO FARITRA BE TRANGA

Hita taratra hatrany ny fiakaran’ny olona voa toa ny any Vakinankaratra izay nisy olona 34 voa tao anatin’ny roa andro nisesy, Alaotra Mangoro 34 ihany koa, Atsimo Andrefana izay tafiakatra 38, Diana 41,… Midika ireny fa tsy mijanona amin’ireo faritra miisa 4 efa nandraisana fepetra mafy kokoa na nahiboka dia Analamanga, Boeny, Sava, Atsinanana miampy an’i Nosy Be intsony ny toerana handihizan’ny coronavirus fa miha rakotra ireo faritra sasany. Ahiana hitombo ireo faritra ho tratry ny fanibohona na fanenjanana ny fepetra. Hiteny rahateo ny Filoham-pirenena ny sabotsy izao, raha tsy misy sampona.

Toky R

Dans la même rubrique