airtel

Covid 19

15-juil-2021

Covid 19

Covid 19 Variant Delta Mahazo vahana kokoa ny aretin’an-doha

Sample post image

Marobe ny fanehoan-kevitra hoe mba asio karazany ny vakisiny, hoy ny dokotera mpitsabo, Fidy Bariniaina, dia io fa nasiana ilay izy.

15-juil-2021

 Fanapahan-kevitry ny eoropeanina koa moa, hoy izy, hoe ilay vakisiny miisa 4 no nekeny dia ny Pfizer, Astrazeneca, Moderna, Johnson & Johnson. Io farany io moa in-dray mandeha ihany no atao. Io no mety antony nanafarana azy na dia isan’ireo malefa-piasa indrindra aza. Raha ny mikasika ilay aretina vaovao Variant Delta an’ny Covid 19 moa dia misy singa miova toy ny fiovan’ny teo aloha koa ao anatiny. Rehefa miova endrika izy tsy hoe voatery hatanjaka foana fa misy koa tsy mafy noho ny teo aloha. Misy mitovitovy koa dia misy mafy. Ny dikan’ilay hoe mafy dia tsy hoe miova ny fisehony fa mafimafy kokoa ny fiantraikany amin’ny olombelona. Haingam-pifindra kokoa. Haingam-pifindra kokoa ny variant delta, raha ny voalaza. Mahazo vahana kokoa ny aretina andoha be sy ny sery, izany hoe ranon-delo be sy kohaka be ankoatry ny hoe tsy maheno fofona sy tsiro. Ny fiarovan-tena no zava-dehibe raha mbola tsy eto ilay izy. Ny vakisiny dia tsiahivina hatrany fa tsy resaka hoe mety amin’ilay aretina vaovao ve sa tsia fa ny vakisiny dia manampy ny hery fiarovan’ny olona hahafahany miatrika ny Covid 19 na inona na inona variant eo. Matoa ireo no vakisiny tonga eto dia fanomezana ireo. Ny fahafatarako azy dia misy ilay tetikasa COVAX izay mikarakara ny fanaparitahana ny vakisiny maneran-tany. Ao anatin’io ny OMS sy UNICEF ary fikambanana marobe. Ireo no misafidy hoe iza no vakisiny maimaimpoana haparitaka eran’izao tontolo izao? Mety tsy afaka niady varotra, noho izany ny fanjakana, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija
 

Dans la même rubrique