airtel

Covid 19

13-juil-2021

Covid 19

Covid 19-Variant Delta Tokony hitandrina hatrany ny rehetra, hoy Dr Fidy

Sample post image

Na dia efa nangingina aza ny valan’aretina Covid 19 ary efa maresaka indray ny Variant Delta dia nanafatra dokotera Fidy Bariniaina fa tokony mbola hitandrina hatrany ny rehetra ho fiarovana ny aina.

13-juil-2021

Notsindriany manokana fa efa monina eto amintsika ny Covid 19 ary mbola eto noho izany tsy tokony hanadino ireo karazana fepetra sakana mihitsy ny rehetra ho fiarovana izany tsy hiparitaka. Notsindriany manokana ny tokony hitondrana hatrany ny arovava orona. Ny fanasan-tanana amin’ny savony, ny tanana izay fantatra fa miakatra in-3000 eo amin’ny vava sy ny orona mandritra ny tontolo andro, ny fanajana ilay elanelana 1 metatra…. Mety misy amin’ireo olona marary mantsy no manaparitaka izany fotsiny hoy izy fa tsy hita soritra hoe : marary izy. Misy ihany koa ireo mivoaka ety ivelany ny fambara izay nomarihiny fa tsy tokony ho variana raha vantany vao mahita izany fa avy hatrany dia hanatona tobim-pitsaboana. Ilay viriosy miditra eo amin’ny vava sy ny orona moa mandeha mankany amin’ny tendany ary miditra any anaty havokavoka no notsiahiviny fa mahatonga ilay fahasemporana na forme grave.
Pati
 

Dans la même rubrique