airtel

Covid 19

21-avril-2021

Covid 19

Covid “Variant Brésilien”efa any Frantsa Tandindonin-doza i Madagasikara

Sample post image

Efa tonga any Frantsa ny coronavirus mahery vaika “Variant Brésilien” na BR-P1 na P1, izay tena mahery vaika sy mamono haingana dia haingana.

21-avril-2021

 Manatombo 64% amin’ny coronavirus mahazatra ny risika mety hahafatesan’ny olona voany. Manodidina ny 1500-2500 isan’andro ny maty any Brésil amin’izao, ary efa nahatratra 4000 mahery aza tamin’ny tapa-bolana. Manahy mafy ny hahazoan’ny P1 laka any Frantsa ny Komity Siantifika Frantsay. Nilaza io rafitra io, fa mbola tsy misy tondro ambony momba ny fivoaran’ny BR-P1 any Frantsa, ary sokajiana ho mbola kely ny fipariahany. 4-5% eo amin’ny tranga any io, ary 0,3% teo ny fipariahany ny faran’ny volana martsa teo. Notsipihin’io komity siantifika io anefa, fa tena mahazo vahana io any Guyane mbola ao anatin’ny Repoblika Frantsay na any Avaratry Amerika aza no misy azy, izay tena efa hanjakan’ny P1, ary ahiana hipariaka ao Frantsa. Ny faran’ny herinandro lasa teo, nitombo ny ahiahin’ny Frantsay ka nanapa-kevitra fa tsy maintsy mihiboka 10 andro ny mpandeha avy any Afrika Atsimo, Brésil, Argentine, ary Chili. Notapahana mihitsy ny sidina mampifandray an’I Frantsa sy Brésil, ary amin’ny 23 aprily vao ho fantatra na haverina na hotohizana ny fanatsaharana satria tokony ny 19 aprily no tapitra ny fanatsaharana, saingy notohizana ny fampiatoana.

TSY MIATO NY SIDINA FRANTSA-MADAGASIKARA

Mitohy hatrany ny sidin’ny Air France miditra eto Madagasikara isaky ny sabotsy, ary mivoaka isaky ny alatsinainy. I Frantsa izay efa misy ny “variant Brésilien”. Midika io, fa tandindonin-doza ny firenena Malagasy izay tena marefo ny rafitra ara-pahasalamana, ary ny eo aza tsy voafehy. Efa noho ny hadalan’ny mpitondra tamin’ny fahataran’ny fanidiana ny sisin-tany ny volana martsa 2020 no nidiran’ny sidina AF943 nosokajiana ho “vol de l’enfer” no nahatafidiran’ny coronavirus teto. Herintaona katroka taorian’izay nambaran’ny Filoha ny 20 martsa, fa efa eto ny “variant Sud-Africain”. Efa nahitana ny “variant Brésilien” tatsy La Réunion ny volana, hoy ny Minisitry ny fahasalamana Frantsay Olivier Véran ny 04 febroary. Ho tafiditra eto ihany koa io raha tsy efa, rehefa dinihina amin’ny gaboraraka sy mbola fidiran’ny sidina avy any Frantsa io. Mandavan-taona mbola sidina fampodiana ihany. Sanatria efa zava-doza indray ve vao hamendrofendro amin’ny hoe: tsy fotoan’ny fifanomezan-tsiny intsony izao.

Toky R

Dans la même rubrique