airtel

Covid 19

28-déc-2021

Covid 19

CTC SOAMANDRAKIZAY Vao nisokatra dia efa maro ireo marary niditra

Sample post image

Nisokatra omaly 27 desambra 2021 ary efa am-perin'asa tanteraka ny CTC-19 SOAMANDRAKIZAY izay mandray an-tanana ireo mararin'ny covid-19 maneho "forme modérée".

28-déc-2021

 Miisa 148 ireo fandriana eny an-toerana ary misy "concentrateurs d'oxygène" iray isaky ny fandriana tsirairay. Manodidina ny 50 isan'andro ireo mpiasan'ny fahasalamana miasa eny amin'ity CTC-19 ity ary ampy tsara ny "EPI" ampaisain'izy ireo, hoy ny Minisiteran’ny fahasalamana. Nambara fa maimaimpoana ny fandraisana an-tanana ny marary, ampy ny fanafody. Mikasika ny fiaraha-miasa amin'ny JIRAMA dia efa misy "groupe éléctrogène" manokana efa napetraka eny an-toerana. Miisa 15 hatreto ireo marary manaraka fitsaboana eny amin'izao raha ny fampitam-baovao voaray io hariva io, hoy hatrany ny fampitam-baovao ofisialy. Entanina mandrakariva isika hanaja ireo lamina sy fepetra napetraky ny Fitondram-panjakana iarovana antsika manoloana ny fisian'izao valanaretina izao, hoy ny toromarika. Azo raisina eny an-toerana avokoa araka izany ireo marary tratry ny “forme moderée manomboka izao raha eny amin’ny hopitaly lehibe kosa ireo manao “forme grave”, raha ny efa nambaran’ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka ny Pr Randriamanantany Zely Arivelo.
Pati
Legende : Efa misokatra ny CTC ety Soamandrakizay !
 

Dans la même rubrique