airtel

Covid 19

23-juin-2021

Covid 19

CTC sy HOTEL HOPITAL Mpiasa 700 tsy nahazo karama 3 volana

Sample post image

Tsy nandray karama tao anatin'ny telo volana ny mpiasan'ny CTC teto Antananarivo, raha ny fitarainana nataon’izy ireo teny Ankatso omaly. Miisa 700 eo ho eo izy ireo.

23-juin-2021

 Milaza ny hanamafy ny hetsika raha tsy voavaly hatramin'ny faran'ny herinandro ny fitarainany. Niasa tamin’ireo CTC sy «hôtel hopital» teto an-drenivohitra, izay efa mikatona sy an-dalam-pikatonana ankehitriny moa ireto mitaraina ireto, raha ny fanamarihan’izy ireo. Antony hiantsoan’izy ireo vonjy ankehitriny ny efa azo lazaina fa fivoaran’ny asa sy ady izay nataon’izy ireo ary nilazana azy fa havotsotra amin’ny andraikitra nampandraiketana azy amin’izay na « déployé », hoy izy ireo. Tsy mbola nandray ny valin-kasasaranay na ariary aza nandritra izay 2 volana niadiana mafy izay izahay, hoy hatrany ireto mpiasan’ny fahasalamana ireto. Nazava nefa, hoy hatrany izy ireo, ny voasoratra tao anaty fifanarahana mikasika ny fandraisana karama isam-bolana sy fandrisihana na « prime de risque ». Tsara marihina fa efa nisy ireo namanay efa « déployé » tany aloha fony vao nilatsaka ireo tranga ireo ary hatramin’izao dia mbola tsy no « déployé » araka ny nampanantenaina azy ireo fa voaroaka mihitsy. Nefa ny fifanarahana nosoniavinay dia herintaona. Nataonay izao fitarainana izao satria tsy misy mihaino izahay. Mila ireo valin-kasasaranay izahay tompoko. Manahy izahay ny mety hahazo ireo namanay mbola miasa amin’izao ihany koa, hoy hatrany izy ireo. Milaza ny hanohy ny hetsika, mandra-pisian’ny vahaolana ireto mpiasan’ny fahasalamana tsy nahazo karama ireto. Handefasana mpitandro filaminana mirongo basy toy ny fomba fiasa mahazatra ny Fanjakana indray ve izy ireo sa mba hovahana haingana ny olana? Aiza ilay hoe: manam-bola ny Fanjakana no toa miandry fitokonana sy fihetsiketsehana hatrany vao mipoitra te ho deraina fa Mesia mpitondra vahaolana? Moa tsy efa misy tetibola manokana ve ireny sehatra samihafa ireny toy ny resaka fiatrehana ny valanaretina coronavirus izay nisiana famatsiam-bola samihafa? Moa tsy vao nandray ireo mpiasa ve dia efa vonona ny karamany ?
J. Mirija st Toky R
 

Dans la même rubrique