airtel

Covid 19

15-nov-2021

Covid 19

Delegasionin’ny ekipa Tanzanianina Miisa 8 be izao no tratry ny coronavirus

Sample post image

Araka ny serasera nataony tao amin’ny tambajotran-tseraserany omaly alahady, nitaraina ny Federasionina Tanzanianina momba ny baolina kitra fa tonga hatrany anaty hotely misy ireo mpilalao tanzaniana Taifa Stars

15-nov-2021

 ny miaramila malagasy mirongo fiadiana. Nolazain’ny Tanzaniniana fa mirongo fiadiana ny mpitandro filaminana Malagasy tonga tany amin’izy ireo nialohan’ny lalao, hoy ny Federasionina Tanzanianina nampiaka-peo. Ahiana ny fisian'ny covid19 amin'ireo mpilalao telo: Bakari Mwamnyeto, Aishi Manula sy ilay star Mbwana Samatta, izay saika nentin'ireo polisin'ny FIP (Force d’Intervention Rapide) ho atao “en quarantaine”. Ny fanampim-baovao hafa no nahalalana fa delegasionina Tanzanianina miisa 8 no voamarina fa tratry ny coronavirus rehefa natao ny fitiliana teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Nanitrikitrika kosa ny Tanzanianina, fa miisa 3 ihany ny olona voamarina fa voan’ny covid-19 tamin’izy ireo. Tsara ny mampahatsiahy fa ny zoma lasa teo no tonga teto Madagasikara ireo delegasionina Tanzanianina. Voalaza fa tsy tena nanaja ny fihibohana ireo olon’izy ireo voan’ny covid-19. Voalaza fa sady tsy mety halefa teny amin’ny Village Voara no tsy mety tena nijanonana tao amin’ny Hotely fa mipelipelika mivoaka, ka izay no isan’ny nidiran’ny mpitandro filaminana Malagasy an-tsehatra. Tena zava-doza ho an’ny firenena Malagasy ny tranga sy toe-javatra toy izao.
Toky R
 

Dans la même rubrique