airtel

Covid 19

07-avril-2021

Covid 19

Depiote Siteny sy Voninahitsy Niroso amin’ny fanaovana vaksiny

Sample post image

Tatsy Kenya toerana nanatanterahany fampielezan-kevitra momba ny firotsahany hofidiana ho Filohan’ny Kaonderasionina Afrikanina

07-avril-2021

 

 

 

 momba ny judo no namoahan’ny Depiote Siteny Andrianasoloniaiko, ny fanaovana vaksiny hiadiana amin’ny coronavirus. Ity Depiote voafidy tany Toliara tamin’ny anaran’ny IRD ity izany no manam-pahefana Malagasy voalohany naneho ampahibemaso ny fanaovany vaksiny, izay nambarany fa tsy an-tery. Namoaka horonan-tsary momba ny hanaovany vaksiny ihany koa ny depiote Voninahitsy Jean Eugène. Nandray fiaramanidina nankany Lafrantsa ny sabotsy teo ny tenany. Sady mitsidika fianankaviana no hanararaotra hanao vaksiny, hoy I Voninahitsy Jean Eugène. Iray volana eo no hijanona any, ary tiako hazavaina, fa salama tsara aho no niala tao Madagasikara. Tsy maintsy manao fitiliana coronavirus, ary voamarina fa “negatif”, hoy izy. Mikasika ny fitsaboana sy fiarovana dia naneho hevitra izy, fa tsy mahahalala an’I Dr Edmond Rakotomalala, fa izao fotsiny hoe ny fanafody vokariny dia fantatro, ny olona mijoro vavolombelona haiko, fa hoe tena mahasitrana. Ny olona nanao ilay izy no mijoro vavolombelona sy manao doka ho azy, fa tsy izy no manao dokam-barotra amin’ny zavatra vokariny, hoy I Voninahitsy, izay naneho fa tsy misy mahasamihafa an’io amin’ny CVO, ka tsy tokony hanaovana mizana tsindrian’ila.

MBOLA BARAINGO NY MOMBA AN’I MADAGASIKARA

 Any ivelany izany no manao vaksiny ireo Malagasy manana fahafahana manao izany satria mbola tsy nampiditra izany ny Fanjakana. Ny 20 martsa dia nanao angoan-tenda sy teny toa tsy ampiheverana ny Filoha Rajoelina, fa ny mpanohitra no hataon’izy ireo vaksiny voalohany. Ny 03 aprily, nilaza fa tsy maintsy atao izay fomba rehetra hiarovana ny Malagasy, ary vaksiny roa no nambara fa efa mahafeno fepetra. Ny mpilatsaka an-tsitra-po, ny mpitandro filaminana, ny mpiasan’ny fahasalamana, ary ny zokiolona no laharam-pahamehana raha ny nambarany tamin’io. Tsiahivina, fa nifarana ny 7 desambra ny fisoratana anarana tao anatin’ny “Alliance Covax” hanamorana ny fisitrahana vaksiny ho anny tany mahantra, raha toa ka taty amin’ny 26 martsa vao nametraka taratasy firotsahana ho ao anatiny ny Fanjakana Malagasy. Maro ny firenena efa manao saingy ny an’i Madagasikara kosa mbola tsy hay noho ny hambo-po diso toeran’ny Fanjakana.

Toky R

Dans la même rubrique