airtel

Covid 19

26-avril-2021

Covid 19

Distrikan'i Moramanga Mirongara ny tahan'ny olona voan’ny Covid-19

Sample post image

Miakatra ny tahan'ny olona vaovao voamarina fa nitondra ny tsimokaretina covid-19 ao amin'ny Distrikan'i Moramanga.

26-avril-2021

 

 

 

 Nidina nijery ny toerana natokana hitsaboana ireo maririn'ny covid-19 ao amin'ny CHRD II Moramanga Annexe Ambohitranjavidy, ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka, Pr Rakotovao Hanitrala Jean Louis, omaly nanome toromarika ireo mpiasan'ny fahasalamana mikasika ny drafitra sy ny paikady enti-mandresy ity valanaretina ity. Mahatratra 26 ankehitriny ireo marary manaraka fitsaboana ao amin'ny CHRD Annexe. Ireo marary maneho fahasemporana sy ireo marary voamarina fa mitondra ny tsimokaretina ary misy aretina mitaiza no raisina an-tanana ao an-toerana. Mpiasa miisa 26 no mampiodina ity toeram-pitsaboana fanampiny ity, izay ahitana fandriana miisa 40 ary manana "concentrateur d'oxygène" miisa 25. Ho fiatrehana izao valanaretina izao, dia novatsian'ny Ministera tavoahangy ôksizena miisa 15 ny CHRD Moramanga io omaly io. Misy CSB II telo ihany koa no mandray an-tanana ny covid-19 ao amin'ny Distrikan'i Moramanga.

Nangonin’i Jean D.

Dans la même rubrique