airtel

Covid 19

22-mars-2021

Covid 19

Dokotera tsy miankina Ilaharana ny fitsaboan-tena, misy mararin’ny Covid 19

Sample post image

Ilaharana ny mandeha mitsabo tena eny anivon’ireo ivon-toerana tantanan’ny dokotera tsy miankina amin’izao.

22-mars-2021

 

 

 Olona ohatra ny voan’ny tazo, manaikitra vanin-taolana, misy hafanana…. ny ankamaroan’ireo tonga manatona azy ireny raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpitsabo iray ankoatra ny aretin-kibo. Nisy mihitsy ireo efa nahafeno fepetra ny maha-Covid 19 azy ny fisehoan’ilay aretina raha araka ny fanazavany hatrany. Voatery mandray fepetra araka izany izy ireny toy ny fanaovana visiere, ny fampiasana gel désinfectant, ny famendrahana ranom-panafody ny ivon-toerana handraisany olona. Toraka izany koa ny fanaovana fitiliana ho fiarovana ny manodidina. Tsy hanavahana taona moa ilay aretina raha araka ny fanazavany hatrany fa misy hatramin’ireo zaza madinika, ireo zoky olona…Karazana fanafody miady amin’ny Covid 19 avokoa araka izany no omen’izy ireny ny marary ankoatra ny tsindrona.

Pati

 

Dans la même rubrique