airtel

Covid 19

27-janv-2021

Covid 19

Dr Fidy Bariniaina “Mbola tsy hay izay hiafaran’ity Covid 19 ity”

Sample post image

Tsara jerena foana ny lasan’ny aretina Covid 19 ahafahana mandinika hoe

27-janv-2021

 

 

 

 

desambra 2019 no niatombohany hoy ny dokotera mpitsabo, ny Dr Fidy Bariniaina. Ny volana janoary hatramin’ny martsa izy no tena niparitaka tany amin’iny faritr’i Eoropa sy Sina ary Amerika iny. Ririnina be tamin’izany ary amin’izao koa mbola ririnina be any amin-drizareo. Nidina tsikelikely ny isan’ny olona voa nony tapitra ny ririnina. Mitombo indray izao ny voa satria ririnina any. Manana anjara toerana lehibe noho izany ny resaka toetr’andro mikasika ny firongatan’ny valanaretina Coronavirus na tsia. Mampirongatra kokoa ny aretin’ny taovam-pisefoana sy ny gripa ny andro ririnina. Toy izay koa ny aty. Volana may hatramin’ny jolay no tena nirongatra io teto. Lefy izy taorian’izay satria nafana ny andro teo amin’ny septambra teo. Nitombo tsikelikely indray satria teo moa ireo fety isan-karazany, indrindra, ny faran’ny taona izay tena nampivangongo ny olona. Tsy toy ny tamin’ny herintaona hoe nameno hopitaly kosa anefa. Mbola tsy hay izay hiafaran’ity Covid 19 ity na izany aza, hoy hatrany ny tenany, fa ny tsara dia aleo tohizana ny fitandremana. Na izany manao arotava izany aza inoako fa efa tokony ho fahazarana toy ny manao akanjo sy pataloha ny mitondra azy, hoy izy.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique