airtel

Covid 19

11-nov-2021

Covid 19

Dr Fidy Bariniaina “Miazakazaha manao vakisiny”

Sample post image

Mbola mitombona ny hoe mirongatra ny Coronavirus rehefa ririnina, amin’ny ankapobeny, hoy ny dokotera mpitsabo, Dr Fidy Bariniaina.

11-nov-2021

 Izany izao no zava-misy maneran-tany, hoy izy. Entanina hanao vakisiny hatrany ny olona satria tsy fantantsika izay mbola ho fivoaran’io ao aoriana ao indray. Miazakazaha, hoy aho, manao vakisiny satria efa namorain’ny fanjakana ny dingana amin’io ary tsy misy vola aloha. Efa misokatra koa io ny sisintany. Mafana izao ny andro, tonga ny moka. Eo koa izany ny ady amin’ny tazomoka sy moka. Esory ny lobolobo manodidina ny trano fa fiafenan’ny moka ireny. Idio ny varavarana rehetra vao mandrehitra jiro. Tsy voatery ho tazo rehefa fanaviana. Aza adino ny misotro rano araka izay tratra! Fitafiana landihazo na “coton” hanaovana. Raha azo atao dia aza mitafy akanjo manolo-koditra na “nylon” fa mandoro, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique