airtel

Covid 19

28-juin-2022

Covid 19

Dr Fidy Bariniaina “Na miova ny herin’ny Covid 19, na miha zatra azy isika”

Sample post image

Miara-miaina amin’ny Covid 19 eo amin’ny fiainana an-davan’andro isika satria raha tsiahivina dia betsaka ny olona maty,

28-juin-2022

hoy ny dokotera mpitsabo, Dr Fidy Bariniaina. Ireo olona maty ireo anefa, hoy izy, dia olona namokatra. Nihena noho izany ny seha-pamokarana ary maneran-tany io. Nihena ny vokatra. Ny lalanan’ny tolotra sy tinady foana nefa no mifehy ny vidin’entana ankapobeny. Ny vava mihinana nefa mitombo. Izay isan’ny manazava io fiakaran’ny vidin’entana io. Isan’ny nampihena be dia be ny vokatra sy nampiakatra ny vidin’entana koa ireny fepetra fihibohana noraisina tany am-boalohany ireny. Singa goavana nampiakatra ny vidin’entana maneran-tany ny Covid 19. Amintsika miteny izao, matoa tsy henjana be intsony ny fepetra dia eo ny fitsinjovana tsy ho voan’ilay aretina fa eo koa ny fitsinjovana ny fiveloman’ny tsirairay. Ny zava-misy dia na miova ny herin’ilay Covid 19 na efa miha zatra azy isika zanak’olombelona. Ny tarehimarika farany teo izao 300 isa eo ary mbola 0 ny maty. Tsy mbola hahafahana mamoaka tsoa-kevitra nefa izany fa ny azo lazaina dia hoe miha vitsy ny maty. Ny fampiakarana hery fiarovana misy karazany. Eo ny torimaso mila ampy tsara. Tokony azon’ny rivotra sy masoandro tsara ny trano. Ezaho tsy mihibokiboka na misy hamandoana. Fampiakarana hery fiarovana tsy vidiam-bola izany. Ny ankoatran’izay moa dia ny vakisiny izay maimaimpoana ihany koa. Ny CVO koa efa nohamarinin’ny OMS. Eo koa ny legioma isan-karazany sy ny tongolo gasy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique