airtel

Covid 19

11-août-2021

Covid 19

Dr Fidy Bariniaina “Tsy azo lavina ny hoe mety efa eto ny Delta”

Sample post image

Voamarina fa PIC na fidinan’ny tarehimariky ny Covid 19 no nitranga nanomboka ny volana jolay teo, hoy ny dokotera Fidy Bariniaina, nanamarina ny voalazan’ny filoham-pirenena ny alahady teo.

11-août-2021

 Ny fampodiana teratany dia ataon’ny firenen-drehetra satria samy mahatsapa ny hirifiry any an-dafin-driaka any ireny fianankaviantsika izay tena hoe mila fampodiana noho ny toe-javatra iainany any ireny, hoy izy. Efa namafisina moa ny hoe tsy maintsy atao ny fitiliana ary marihina fa efa nisy foana ny fivezivezena talohan’io fahatongavan’ny sidina avy atsy Parisy ato ho ato io. Mbola tonga eto daholo ny entana afarana avy any ivelany. Misy ny fanafody tonga, ny entam-barotra, ny solika sy ny hafa izay midika fa tsy robot akory no mibata ireny fa tsy maintsy olombelona. Matanjaka ny hery fiarovan’ny Malagasy. Tsy azo lavina ny hoe mety efa eto ny Variant Delta saingy tsy voatery marary foana ny olona hidiran’ny Covid 19. Raha matanjaka ny hery fiarovan’ny olona dia misy foana ilay antsoina hoe“forme assymptomatique”. Tsy mbola misy voamarina ara-panjakana hoe io fa Variant Delta fa tsy afaka miteny koa isika hoe tsy misy ilay izy satria noho ilay fivezivezena voalaza teo. Isaorana an’Andriamanitra fa ny Afrikanina amin’ny ankapobeny mihitsy dia mafy hery fiarovana. Ampirisihina isika hanao vakisiny. Tsy azo afenina raha mitombona ny ahiahy izay ilazana hoe misy “champ magnetique” anatin’ireny vakisiny ireny saingy raha marina ary izany dia maninona no afenina any anaty MP an’ny Facebook, hoy hatrany ny tenany ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique