airtel

Covid 19

02-sept-2021

Covid 19

Dr Jean Claude Ratsimivony “Mila mailo amin’ny fidiran’ny olona eto isika”

Sample post image

Rehefa jerena ny antontan’isa mikasika ny Coronavirus eto Madagasikara dia azo lazaina fa tsy misy firy intsony io valanarentina io eto amintsika,

02-sept-2021

 hoy ny filoha tale jeneralin’ny vondron’orinasa mpamokatra ara-pahasalamana natoraly JCR, ny Dr Jean Claude Ratsimivony. Raha hoarina amin’ny firenen-kafa koa dia azo lazaina ho nahomby ny paikady niadiana tamin’ny aretina teto, hoy izy. Ao ny fametrahana sakana ara-pahasalamana. Ao koa ny tsy fanokafana sisintany. Na izany aza anefa dia mila mailo foana isika satria tsy hoe lasa tampoka tao ilay valanaretina fa rehefa mijery izao tontolo izao dia mety ho tonga indray ny aretina hafa na “variant” hafa. Vao omaly izao ny hoe nisy hafa indray tao Afrika atsimo. Mila mailo amin’ny fidiran’ny olona eto amintsika isika, noho izany. Raha voafehy tsara daholo ny fepetra tokony hipetraka dia tokony hisokatra amin’ny volana oktobra ny sisintany. Ho anay mpamokatra sy mpitsabo amin’ny alalan’ny zavamaniry sy nentim-paharazana moa dia tsy tokony hiraviravy tanana fa hanome foana izay vokatra hampatanjaka ny herim-batana sy hery fiarovana. Tsy iriana ny isian’ny andiany fahatelo fa ilaina hatrany ny misoroka satria averina ihany fa tsy foana akory ilay valanaretina fa voafehintsika Malagasy kosa izy ankehitriny. Ny vakisiny taloha dia nanampy sy nanavotra izao tontolo izao fa ity ankehitriny ity dia sarotra satria lasa miovaova be ilay valanaretina. Efa amam-polo taona ny Coronavirus fa izao vao lasa mahery vaika be ilay izy. Lasa mamono olona. Mitoetra amin’ireo biby any anaty ala izy ireny ka mety noho ny fikorontanan’ny tontolo iainana vokatry ny doro ala sy fanimbana tontolo iainana dia mivoaka aty amin’ny olombelona ilay izy. Mila mikarakara tena isika ho tia mampiakatra hery fiarovana mba tsy hahatongavan’ny karazam-balanaretina amintsika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique