airtel

Covid 19

25-févr-2022

Covid 19

Dr Manitra Rakotoarivony “Mety hampikatona orinasa ny mpiasa 4 na 5 voan’ny Covid 19”

Sample post image

Mbola mahazo vahana tanteraka eto amintsika ny valan’aretina Covid 19 amin’izao. Miseho amin’ny endrika maro izy io, miankina amin’ny toe-batan’ilay olona toy ny sery sy ny gripa, ny kohoka,

25-févr-2022

 raha misy ihany koa ireo marary kibo dia reraka be avy eo, miampy ny tsy fandrenesana fofona sy tsiro….Ilaina hatrany ny fanaovana vaksiny araka izany izay efa misy karazany 4 eto amintsika no sady tsy handoavam-bola hahafahana miady amin’ity areti-mandoza ity na manalefaka azy amin’ny ampahany raha sanatria ka tsy maintsy voany ny olona iray. Tafiditra ao anatin’izany ireo mpiasa eny anivon’ny orinasa izay miara-miaina sy mifamezivezy amin’ny olona marobe. Raha araka ny fanazavan’ny dokotera Manitra Rakotoarivony, talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamam-bahoaka eo anivon’ny Ministeran’ny fahasalamana tokoa mantsy dia mety hampikatona ny orinasa iray ny fisian’ny mpiasa 4 na 5 ao aminy voamarina fa tena tratry ny Covid 19 marina. Mety tsy ilay orinasa mivantana no lasibatra hoy izy fa ireo mpiasa rehetra ao aminy mihitsy no mety ho very asa aloha, hisorohana ilay aretina tsy hiparitaka. Anisan’ny antony manosika ireo orinasa sasany hampanao vaksiny ireo mpiasa ao aminy moa izany raha araka ny fantatra hatrany. Tsiahivina moa fa ireo feno 18 taona ihany no afaka manao vaksiny iadiana amin’ny Covid 19 ary ilay vaksiny Janssen ihany no hany hatao amin’ny fatra tokana tsy hiverenana fanindroany.
Pati
Legende : Ny dokotera Manitra Rakotoarivony
(Tahirin-tsary)

Dans la même rubrique