airtel

Covid 19

28-avril-2021

Covid 19

Dr Manitra Rakotoarivony “Rehefa tsy manaja fepetra dia tsy maintsy garaziana any an-trano”

Sample post image

Nitondra fanazavana mikasika ilay resaka mandeha fa hitombo hatrany ny olona ho voan’ny Covid 19

28-avril-2021

 


eto amintsika raha tsy tapaka ny fifamezivezen’ny olona ny dokotera Manitra Rakotoarivony, talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamam-bahoaka, eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamana. Nambarany tamin’izany fa ilay tsy fanajana ny ‘geste barrière’ eo amin’ny isam-batan’olona mihitsy no mbola tena olana eto amintsika.
Lohalarana amin’izany ny tsy fanaovana aron-tava manarona tsara ny orona sy ny vava izay mamoaka fofon’aina sy piti-drora mankany amin’ny hafa ka manaparitaka ny aretina ho an’ireo marary. Toraka izany koa ilay tanana mandehandeha mampiditra sakafo any am-bava iny nefa tsy misasa akory, ireo tsy manao aron-tava be dia be. Firifiry ny olona mitsakotsako hanina eny an-dalana eny hoy hatrany ity dokotera ity nefa tsy manasa tanana akory…. Na dia misy aza araka izany ny fifamezivezena hoy hatrany dokotera Manitra ka samy manaja ny fepetra ny tsirairay avy dia hihena ny fiparitahan’ny valan’aretina fa tsy hirongatra be tahaka izao. Notsiahiviny moa fa rehefa tsy manaja ny geste barrière isika dia tsy maintsy garaziana any an-trano amin’ny alalan’ny fihibohana.

 Pati

 

Dans la même rubrique